Psalms 110

Ny haherezan’ ny Mpanjakan’ i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona

Salamo nataon’ i Davida.

1

Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
2Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao. 3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao
Na: andron’ ny herinao.
; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka. 5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany 6Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona
Heb loha.
any amin’ ny tany malalaka Izy.
7Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.
Copyright information for Mg1865